mercredi 28 février 2018

Alarobia 28 Febroary 2018 - Jao 8 : 39 - 47

39Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe:
–I Abrahama no rainay!

Fa hoy i Jesoa taminy:
–Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan'i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan'i Abrahama.–ireo asan'i Abrahama: ampit Heb 11.8-19.. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo.

Dia hoy ireo taminy:
–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.

42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

Ny tena zanak' Andriamanitra

1- Manao asa tsara
Milaza ho zanak i Abrahama ireto jiosy miresaka amin'i Jesoa Kristy. Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin'izany satria i Abrahama dia olon'ny finoana, feno fahatokiana sy fankatoavana an' Andriamanitra. Tsy manana ny toetran'i Abrahama ireto jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina, manao ny asan'Andriamanitra indray no notadiavin'izy ireo hovonoina. Asa ratsy no kasain'izy ireo atao. Tsarovy fa ny tena zanak' Andriamanitra dia mino sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.

2- Mihaino nv Tenin' Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin'ny fíainan'ny zanak'Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana, ny fankatoavana na fampiharana eo amin' ny fiainana izay lazainy. Ny Teniny no mampifandray ny zanany amin'Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta ihaino izay lazainy isan'andro. Manokana fotoana isan'andro ahafahanao mihaino ny Tenin'Andriamanitra, hifaneraseranao Aminy, handraisanao ny toro-lalana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.

Fanontaniana:
Inona no vokatsoa azo amin'ny fíhainoana ny Tenin' Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12