lundi 26 février 2018

Alatsinainy 26 Febroary 2018 - Asa 13 : 44 - 52

44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:

«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany13.47 Is 49.6.!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin'ny Tompo. 50Nomen'ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an'Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an'i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin'ny faritany. 51Nahintsan'i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin'ny tongony13.51 Jereo Mk 6.11 sy nta. ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.

Ny Filazantsaran'I Jesoa Kristy
1- Natao ho an'ny olona rehetra
Mitombo hatrany ireo sokajin'olona nihaino ny fitoriana ny Filazantsara nataon'i Paoly sy Barnabasy. Tsy ireo jiosy ihany fa teo ny jentilisa izay tena liana tokoa. Rehefa nahita izany nv jiosv dia velom-pialonana, nanohitra ary nitadv nv fomba rehetra hanakoron-tanana mba ahatonga fanenjehana ireto mpitory ny fílazantsara. Tsy nampihemotra ny mpitory nv filazantsara izany fa feno fahasahiana hatranv izv ireo nanambara. Isan'ny andraikitra nanirahana azy nv hitondra fanazavana any amin'ny jentilisa (and.47). Tian'Andriamanitra loatra ianao, maniraka ny mpanompony hitory ny Teniny aminao Izy. Mahaiza mihaino ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mitondra fifaliana ho an'izav mandray
Ireo jiosy tsy nihaino ny Tenin'Andriamanitra dia feno fialonana ary nitorika fanakoron-tanana. Na dia teo aza izany sy ny fanoherana nataon'ireo mpitarika tao amin'ny synagoga dia nandroso hatrany ny asa fitoriana nataon'i Paoly sy Barnabasv. Niavaka kosa ny fiainan'ireo nihaino sy nandray ny Tenin'Andriamanitra: "faly izy ka nankalaza ny Tenin'Andriamanitra ; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino" (and.49). Meteza isika mba hihaino sy handray marina ny Tenin' Andriamanitra dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam- pifaliana mandrakariva isika satria azo antoka ny Fiainana mandrakizay omen'ny Tompo antsiky mpino azy.

Fanontaniana :
Manana andraikitra ve ianao amin'ny fanohanana ny mpitory ny filazantsara ? Inona avy izany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12