dimanche 25 février 2018

Alahady 25 Febroary 2018 - I Sam 15 : 16 - 29

16Fa hoy i Samoela tamin'i Saoly:
–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain'ny TOMPO tamiko halina.

Ary hoy izy taminy:
–Ambarao àry!

17Dia hoy i Samoela hoe:
–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan'ny fokon'i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely. 18Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany. 19Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin'ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin'ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?

20Fa hoy i Saoly tamin'i Samoela:
–Efa nanaiky ny tenin'ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto; 21fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.

22Dia hoy indray i Samoela hoe:
–Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran'ondrilahy ny fanekena Azy. 23Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.

24Ka hoy ny navalin'i Saoly azy:
–Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin'ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny. 25Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan'ny TOMPO.

26Hoy kosa i Samoela taminy:
–Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan'i Israely intsony.

27Ary raha nihodina handeha iny i Samoela, dia nohazonin'i Saoly tamin'ny rebareban'akanjony, izay rovitra niendaka terỳ. 28Dia hoy i Samoela taminy:
–Tahaka izany koa androany no hanendahan'ny TOMPO aminao ny fanjakan'i Israely mba homeny ho an'ny hafa15.28 Dia i Davida izany, ampit 13.14 sy nta. izay mendrika kokoa noho ianao. 29Fa ny TOMPO, Ilay Herin'i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.

Ny olona mihaino ny Tenin'Andriamanitra

1- Tsy maintsv mankatoa
Tsy nandray ny toro-marika nambaran'i Samoela i Saoly mpanjaka. Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony, ary hahazo sitraka avy amiin'Andriamanitra rehefa nahazo sambo-belona an'i Agaga mpanjakan'ny Amalekita ka nanao fanatitra ho an'Andriamanitra tamin'ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany, nihaino fotsiny fa tsy nanatanteraka ny toro-marika nomen'Andriamanitra fa tokony haringana nv Amalekita sy ny fananany. Tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny zavatra nataony, Tsarovy fa ianao mankatoa ny Tenin' Andriamanitra no zava-dehibe fa tsy ny fanatitra entinao na dia heverina ho tsara indrindra aza izany.

2- Tsaraina
Noho ny tsy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia niharan'nv sazy i Saoly mpanjaka. Nolavin'Andriamanitra ny maha-mpanjaka azy. tsv afaka ny hanao ny asan'ny mpanjaka ny tarananv. Tsy azo vazivaziana nv Tompo, eny fa na dia niaiky nv fahadisoany, nifona noho ny fahotana nataonv aza izv dia mazava nv fanapahan-kevitr'Andriamanitra. Esoriny amin'ny fanjakana i Saoly. Efa misv olona voahomana handimbv azv eo amin'ny fanjakana. Ataovv ho zava-dehibe hatrany eo amin'ny fìainanao ny Tenin'Andriamanitra, ankatoavy. hiaino izay ambarany aminao dia ho azo antoka ny ho avinao.

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona manao ho ambony ny feon'ny fíeritrertany na ny olona akaiky azy noho ny Tenin' Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12