samedi 31 juillet 2021

Sabotsy 31 Jolay 2021 - I Kor 1 : 26 - 31

26Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson’Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana. 27Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka; 28ary izay noheverin’izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin’Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon’izao tontolo izao ho zavatra, 29mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. 30Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana. 31Noho izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, «izay mirehareha, dia ny nataon’ny Tompo no aoka hireharehany.»

vendredi 30 juillet 2021

Zoma 30 Jolay 2021 - Mat 4 : 18 - 22

 18Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany. 19Dia hoy i Jesoa taminy:

–Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!

20Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

21Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato. 22Nantsoin’i Jesoa izy mirahalahy; ary nilaozany avy hatrany ny sambokely sy ny rainy fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

jeudi 29 juillet 2021

Alakamisy 29 Jolay 2021 - Jer 1 : 4 - 10

 4Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko

tao an-kibon-dreninao akory ianao

dia efa fantatro,

ary mbola tsy teraka akory ianao

dia efa natokako hanompo Ahy

sy notendreko ho mpaminany

ho an’ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

mbola tanora loatra aho

ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:

–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»

fa tsy maintsy handeha

amin’izay rehetra hanirahako anao ianao

ka hilaza aminy

izay rehetra nandidiako anao.

8Aza matahotra azy

fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany

ka nanendry ny vavako

ary nilaza tamiko hoe:

–Ianao no hanambara ny teniko.

10Jereo fa omeko fahefana ianao anio

amin’ireo firenena sy fanjakana

mba hanongotra sy hanjera,

hanapotika sy handrava,

ary hanorina sy hamboly.

mercredi 28 juillet 2021

Alarobia 28 Jolay 2021 - Asa 9 : 1 - 19

 1Tamin’izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy, 2ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin’ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo, na lahy na vavy.

3Ary raha mbola nizotra nankany Damasy ny diany, ka mby teo akaikin’ny tanàna, dia nisy hazavana avy tany an-danitra, nanelatrelatra tampoka nanodidina azy. 4Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe:

–Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?

5Dia hoy i Saoly:

–Iza moa Ianao, Tompoko?

Ary ilay feo namaly hoe:

–Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao. 6Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.

7Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin’i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany. 8Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy. 9Tsy nahita izy nandritra ny telo andro sady tsy nihinana no tsy nisotro.

10Tao Damasy tamin’izay dia nisy mpianatra atao hoe Hananià. Nisehoan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana izy ka nilazany hoe:

–Ry Hananià!

Dia hoy ny navaliny:

–Intỳ aho, Tompoko!

11Ary hoy ny Tompo tamin’i Hananià:

–Mankanesa izao dia izao any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy; ka anontanio ao an-tranon’i Joda fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa. Mivavaka indrindra izy amin’izao fotoana izao.

( 12Tamin’izay i Saoly dia nisehoam-pahitana ary nahatazana lehilahy atao hoe Hananià, izay niditra tao aminy sy nametra-tanana taminy mba hahiratan’ny masony indray.)

13Izao kosa no navalin’i Hananià:

–Maro, Tompoko, ny olona niresaka tamiko momba io lehilahy io ka samy nilaza ny ratsy rehetra vitany tamin’ireo anisan’ny vahoakanao tany Jerosalema. 14Ary nomen’ireo lohandoha-mpisorona fahefana izy no tonga eto, mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

15Fa hoy ny Tompo taminy:

–Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely. 16Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.

17Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon’i Joda, ary nametra-tanana tamin’i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan’ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.

18Teo no ho eo ihany dia nisy zavatra toy ny kiran-kazandrano niala avy tamin’ny mason’i Saoly, ka nahiratra indray izy. Avy hatrany koa izy dia natao batisa, 19ary dia nihinan-kanina ka nihatanjaka.

mardi 27 juillet 2021

Talata 27 Jolay 2021 - Jao 21 : 15 - 22

 15Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Petera:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan’ireto Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:

–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Fahano ireo zanakondriko.

16Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanindroany:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:

–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Aoka ianao ho mpiandry ireo ondriko.

17Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy:

–Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Fahano ireo ondriko. 18Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao haleha.

19(Izany voalazan’i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan’i Petera voninahitra an’Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:

–Avia hiaraka amiko!

20Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian’i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin’ny tratran’i Jesoa tamin’ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?» 21Rehefa nahita an’ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin’i Jesoa hoe:

–Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?

22Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera:

–Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!

lundi 26 juillet 2021

Alatsinainy 26 Jolay 2021 - Lio 9 : 57 - 62

 57Raha mbola nizotra tamin’ny diany i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza tamin’i Jesoa hoe:

–Hiaraka aminao aho, na aiza na aiza alehanao!

58Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.

59Hoy kosa i Jesoa tamin’ny anankiray hafa:

–Andao hiaraka amiko!

Dia izao no navalin’io:

–Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an’i dada!

60Fa hoy i Jesoa taminy:

–Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakàn’Andriamanitra!

61Ary hoy ny anankiray hafa indray hoe:

–Hiaraka aminao aho, Tompoko, saingy avelao aloha hanao veloma ny fianakaviako.

62Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ny olona efa mitana amin’ny angadin’omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

dimanche 25 juillet 2021

Alahady 25 Jolay 2021 - Isa 6 : 1 - 8

 1Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony. 2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:

«Masina, masina, masina

ny TOMPOn’izao rehetra izao!

Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

4Nipararetra ny fanambanin’ny tokonana noho ny hamafin’ny feon’ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano. 5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»

6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara. 7Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:

«Indro efa nitehika ny molotrao ity;

koa afaka ny helokao,

ary voavela ny fahotanao.»

8Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe:

–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?

Dia namaly aho hoe:

–Inty aho, iraho aho.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12