1Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony. 2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:
«Masina, masina, masina
ny TOMPOn’izao rehetra izao!
Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»
4Nipararetra ny fanambanin’ny tokonana noho ny hamafin’ny feon’ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano. 5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»
6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara. 7Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:
«Indro efa nitehika ny molotrao ity;
koa afaka ny helokao,
ary voavela ny fahotanao.»
8Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe:
–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?
Dia namaly aho hoe:
–Inty aho, iraho aho.