mercredi 28 juillet 2021

Alarobia 28 Jolay 2021 - Asa 9 : 1 - 19

 1Tamin’izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy, 2ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin’ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo, na lahy na vavy.

3Ary raha mbola nizotra nankany Damasy ny diany, ka mby teo akaikin’ny tanàna, dia nisy hazavana avy tany an-danitra, nanelatrelatra tampoka nanodidina azy. 4Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe:

–Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?

5Dia hoy i Saoly:

–Iza moa Ianao, Tompoko?

Ary ilay feo namaly hoe:

–Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao. 6Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.

7Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin’i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany. 8Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy. 9Tsy nahita izy nandritra ny telo andro sady tsy nihinana no tsy nisotro.

10Tao Damasy tamin’izay dia nisy mpianatra atao hoe Hananià. Nisehoan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana izy ka nilazany hoe:

–Ry Hananià!

Dia hoy ny navaliny:

–Intỳ aho, Tompoko!

11Ary hoy ny Tompo tamin’i Hananià:

–Mankanesa izao dia izao any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy; ka anontanio ao an-tranon’i Joda fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa. Mivavaka indrindra izy amin’izao fotoana izao.

( 12Tamin’izay i Saoly dia nisehoam-pahitana ary nahatazana lehilahy atao hoe Hananià, izay niditra tao aminy sy nametra-tanana taminy mba hahiratan’ny masony indray.)

13Izao kosa no navalin’i Hananià:

–Maro, Tompoko, ny olona niresaka tamiko momba io lehilahy io ka samy nilaza ny ratsy rehetra vitany tamin’ireo anisan’ny vahoakanao tany Jerosalema. 14Ary nomen’ireo lohandoha-mpisorona fahefana izy no tonga eto, mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

15Fa hoy ny Tompo taminy:

–Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely. 16Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.

17Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon’i Joda, ary nametra-tanana tamin’i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan’ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.

18Teo no ho eo ihany dia nisy zavatra toy ny kiran-kazandrano niala avy tamin’ny mason’i Saoly, ka nahiratra indray izy. Avy hatrany koa izy dia natao batisa, 19ary dia nihinan-kanina ka nihatanjaka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12