lundi 26 juillet 2021

Alatsinainy 26 Jolay 2021 - Lio 9 : 57 - 62

 57Raha mbola nizotra tamin’ny diany i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza tamin’i Jesoa hoe:

–Hiaraka aminao aho, na aiza na aiza alehanao!

58Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.

59Hoy kosa i Jesoa tamin’ny anankiray hafa:

–Andao hiaraka amiko!

Dia izao no navalin’io:

–Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an’i dada!

60Fa hoy i Jesoa taminy:

–Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakàn’Andriamanitra!

61Ary hoy ny anankiray hafa indray hoe:

–Hiaraka aminao aho, Tompoko, saingy avelao aloha hanao veloma ny fianakaviako.

62Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ny olona efa mitana amin’ny angadin’omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12