mardi 27 juillet 2021

Talata 27 Jolay 2021 - Jao 21 : 15 - 22

 15Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Petera:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan’ireto Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:

–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Fahano ireo zanakondriko.

16Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanindroany:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:

–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Aoka ianao ho mpiandry ireo ondriko.

17Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony:

–Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy:

–Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:

–Fahano ireo ondriko. 18Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao haleha.

19(Izany voalazan’i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan’i Petera voninahitra an’Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:

–Avia hiaraka amiko!

20Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian’i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin’ny tratran’i Jesoa tamin’ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?» 21Rehefa nahita an’ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin’i Jesoa hoe:

–Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?

22Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera:

–Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12