mercredi 8 mai 2013
Alarobia 08 May 2013 - II Tim 2 : 1 - 7
1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa. 3 Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4 Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5 Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6 Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7 Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...