mardi 14 mai 2013
Talata 14 May 2013 - II Kor 12 : 7 - 10
7 Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan'Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin'ny tenako; toy ny irak'i Satàna* mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo. 8 Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hialan'izany aretina izany amiko; 9 nefa hoy ny Tompo tamiko: «Ampy ho anao ny fahasoavako, satria ao amin'ny fahalemenao no isehoan'ny heriko tanteraka.» Koa vao mainka sitrako mihitsy ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hambomba ahy ny herin'i Kristy*. 10 Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin'i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...