lundi 6 mai 2013
Alatsinainy 06 May 2013 - Jao 1 : 9 - 13
9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao* sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11Tonga teo amin'ny taniny Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy. 12Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra*: 13izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...