20Indray andro dia niteny tamin-tsindrimandry Ianao ka nilaza tamin'ireo mpivavaka aminao hoe: «Nanaiky hanampy sy hanandratra olo-mahery fo iray aho, dia tovolahy anankiray avy tao amin'ny vahoakako. 21I Davida mpanompoko no efa hitako ka nohosorako ilo masina ho mpanjaka. 22Ny fiarovako no homba azy ary ny heriko no hampahatanjaka azy.