samedi 31 mai 2014

Sabotsy 31 May 2014 - Jao 3 : 5 - 15

5Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.» 8Ny rivotra dia mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

9Dia niteny tamin'i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:
–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin'i Jesoa azy:
–Mpampianatra eto amin'i Israely* ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona*. 14Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12