mercredi 28 mai 2014

Alarobia 28 May 2014 - I Mpa 21 : 15 - 29

15Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabôta, dia hoy izy tamin'i Ahaba:
–Mitsangàna ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabôta hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty.

16Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabôta, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabôta ilay Jizrehelita mba haka izany.

17Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
18–Midîna mankany amin'i Ahaba mpanjakan'i Israely izay ao Samaria. Ao an-tanimboalobok'i Nabôta izy izao, satria lasa nankao izy mba haka izany. 19Koa teneno izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: «Rehefa avy nahafaty olona ve ianao, dia mbola haka ny fananany koa!» Ary teneno indray izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: «Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabôta no hilelafan'ny alika ihany koa ny ranao.»

20Dia hoy i Ahaba tamin'i Elià:
–Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko?

Ka novaliany hoe:
–Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO; 21fa izao no nambarany: «Hahatonga loza aminao Aho ka handringana anao tanteraka, hofongorako ny lehilahy rehetra amin'ny fianakavianao, na zaza izy na olon-dehibe. 22Hataoko tahaka izay nanjo ny taranak'i Jerôbohama zanakalahin'i Nebata sy ny taranak'i Bahasà zanakalahin'i Ahià ny taranakao, noho ny nampahaviniranao Ahy sy ny nampanotanao an'i Israely.»

23Niteny momba an'i Jezebela koa ny TOMPO ka nanao hoe: «Ary i Jezebela dia hohanin'ny alika eo akaikin'ny mandan'i Jizrehela.» 24Izay taminganao, ry Ahaba, ka maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.

25Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an'i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy. 26Zava-maharikoriko loatra no vitany tamin'ny nanarahany ny sampy tahaka ny nataon'ny Amôrita izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

27Rehefa ren'i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin'ilay gony ary namindra miadana dia miadana.

28Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
29–Moa hitanao izao fietren-tenan'i Ahaba eto anatrehako izao? Satria nanao izany izy, dia tsy hahatonga loza amin'ny fianakaviany amin'ny androny Aho, fa amin'ny andron-janany kosa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12