vendredi 30 mai 2014

Zoma 30 May 2014 - II Mpa 2 : 6 - 14

6Ary hoy indray i Elià tamin'i Elisà:
–Mijanona eto re ianao, fa irahin'ny TOMPO hankany Jôrdàna aho.

Fa novaliany hoe:
–Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao!
Dia niara-nandeha izy mianaka. 7Nisy mpaminany dimampolo nanaraka lavidavitra an'i Elià sy i Elisà izay nijanona teo amoron'i Jôrdàna. 8Nalain'i Elià ny akanjobeny, dia nahorongorony ary nikapohany ny rano.

Dia nisaraka roa ilay rano ka nita tamin'ny tany maina izy mianaka. 9Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin'i Elisà:
–Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao.

Ary hoy i Elisà:
–Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho.

10Fa hoy kosa i Elià:
–Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.

11Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.

12Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe:
–Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao!
Nony tsy hitan'i Elisà intsony i Elià, dia notriariny* roa ny fitafiany. 13Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elià; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jôrdàna.

14Noraisin'i Elisà ilay akanjoben'i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe:
–Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Elià? Aiza Izy?

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12