samedi 24 mai 2014

Sabotsy 23 May 2014 - II Sam 12 : 1 - 15a

Tsy sitraky ny TOMPO anefa izany nataon'i Davida izany. 1Naniraka an'i Natàna mpaminany* ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:
–Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny.

5Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natàna hoe:
–Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.

7Dia hoy i Natàna tamin'i Davida:
–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12