mardi 13 mai 2014

Talata 13 May 2014 - Eks 1 : 8 - 12

8Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin'izay ka tsy nahalala an'i Jôsefa. 9Hoy izy tamin'ny vahoakany:
–Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika. 10Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.

11Dia nanendry lehiben'ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin'ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an'ny Farao*. 12Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran'ny Ejiptianina azy. 13Nampanompoin'ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita 14sady nataony nangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
Enjehin'ny Farao ny Israelita

15Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan'i Ejipta, 16ka nanao hoe:
–Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

17Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian'ny mpanjakan'i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. 18Koa nampanantsoin'ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe:
–Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?

19Fa namaly ireo mpampivelona hoe:
–Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.

20Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona, 21ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12