8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:
–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely* manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy* avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.
11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Ny vato nolavinareo mpanao trano
no nanjary vato fehizoro!»
12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!