10Koa izay mino ilay Zanak'Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an'Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany. 11Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen'Andriamanitra antsika ary ao amin'ilay Zanany izany fiainana izany. 12Izay manana ny Zanaka no velona aina; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy velona aina.
13Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra*, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo. 14Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; 15ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.