mardi 2 décembre 2014

Talata 02 Desambra 2014 - I Pet 2 : 1 - 10

1Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3raha tàhiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo.

4Manatòna ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy*. 6Fa izao no voalaza ao amin'ny Soratra Masina*:

«Indro Aho mametraka vatofehizoro ao Tsiôna*,
dia vato voafidy sady sarobidy;
ary izay mino Azy tsy mba hangaihay.»

7Ny maha vato sarobidy Azy dia ho anareo izay mino, ka
«ny vato nolavin'ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro»;
ho an'izay tsy mino kosa, 8dia
«vato mahasolafaka
sy vato mampianjera» izany.

Solafaka tamin'io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.
9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan'Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan'Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin'ny haizina ho any amin'ny fahazavana mahagaga. 10Tsy vahoakan'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12