1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra*. 2Izao no voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny bokin'i Isaià mpaminany*:
«Indro alefako hialoha Anao ny irako,
hoy Andriamanitra,
mba hanomana ny lalanao.»
3«Injany misy feon'olona miantso mafy
ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan'ny Tompo;
ahitsio ny hizorany!»
4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa* tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.
5Nirohotra nankeo amin'i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao amin'ny ony Jôrdàna. 6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany.
7Ary hoy ny antso avo nataony:
–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.