mardi 20 janvier 2015
Talata 20 janoary 2015 - Deo 6 : 4 - 9
4«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana. 5Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo ary amin'ny herinao manontolo. 6Aoka haraikitrao ao am-ponao izao didy ampitaiko anao anio izao. 7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany; ary resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao na mandeha eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha. 8Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin'ny boaty famehy eny amin'ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny, 9ary soraty eo amin'ny tolàm-baravaran'ny tranonao na eo amin'ny vavahadin'ny tanànanao.»
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...