vendredi 2 janvier 2015
Zoma 02 Janoary 2015 - Deo 1 : 29 - 33
29Dia hoy aho taminareo: «Aza manahy, ary aza matahotra azy! 30Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta 31sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin'ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran'ny olona ny zanany ianareo, tany amin'ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin'ity toerana ity.» 32Ary, tamin'izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo. 33Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...