jeudi 29 janvier 2015

Alakamisy 29 Janoary 2015 - Joe 2 : 21 - 27

21Aza matahotra, ry tany fambolena,
miravoravo sy mifalia ianao
fa manao zava-dehibe ny TOMPO.
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,
fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra,
mamoa ny hazo
ary vokatra ny aviavy
sy ny voaloboka.
23Ary ianareo, ry mponin'i Tsiôna*,
miravoravoa sy mifalia
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny oram-pararano sahaza
no omeny anareo;
alatsany aminareo toy ny fahiny koa
ny ranonorana mivatravatra,
dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.
24Koa feno varimbazaha ny famoloana;
ary mitosaka ny divay sy menaka
ka mihoatra ny vata fanantazana azy.
25«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO,
ireo vokatra nohanin'ny fanday sy ny valala
mbamin'ny voangory sy ny kijeja;
ireny miaramila betsaka ireny
no nalefako hamely anareo.
26Hihinan-ko voky ianareo
ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo,
Izay nanao zava-mahagaga taminareo.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.
27Ary hiaiky ianareo
fa eo afovoanareo Israelita Aho,
ka ny TOMPO Andriamanitrareo
dia Izaho fa tsy hafa.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12