samedi 17 janvier 2015
Sabotsy 17 Janoary 2015 - Deo 5 : 12 - 15
12«Mitandrema ny andro sabata* mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao. 13Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 14Fa ny andro fahafito kosa dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha akory amin'izany, na ny tenanao, na ny zanakao, na ny mpanomponao, na ny ombinao na ny borikinao, na ny biby hafa rehetra fiompinao, na ny vahiny izay ao an-tranonao; aoka mba hitsahatra tahaka anao koa ireo mpanomponao. 15Ary tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianao ka fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina no nitondrako anao niala tany; izany no mahatonga Ahy TOMPO Andriamanitrao handidy anao hitandrina ny andro sabata.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...