11I Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika tao am-pasana, 12ka nahita anjely* roa niakanjo fotsy, nipetraka teo amin'izay nandrian'ny vatan'i Jesoa: ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.
13Dia hoy ireo anjely tamin'i Maria:
–Nahoana ianao no mitomany?
Ka novaliany hoe:
–Nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14Dia nitodika i Maria nony avy nilaza izany, ka nahita an'i Jesoa nijoro teo, saingy tsy fantany hoe i Jesoa io.
15Dia hoy Jesoa taminy:
–Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao?
Noheverin'i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe:
–Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy!
1
6Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ry Maria!
Dia nitodika ravehivavy ka niteny aramianina taminy hoe:
–Rabonỳ (izany hoe Mpampianatra)!
17Hoy kosa i Jesoa taminy:
–Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin'ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.
18Dia lasa i Maria Magdalena ka nanambara tamin'ny mpianatra hoe:
–Efa nahita ny Tompo aho!
Ary nambarany koa ireo hafatra nambaran'i Jesoa taminy.