mardi 28 avril 2015
Talata 28 Aprily 2015 - Rom 8 : 14 - 17
14Eny, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra*. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak'Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain'Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin'i Kristy: satria raha miara-mijaly amin'i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...