22Ry vahoaka israelita*, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any Nazareta dia Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo, satria tamin'ny alalany no nanaovan'Andriamanitra asa mahagaga sy zava-mahatalanjona ary famantarana teo anivonareo, araka izay efa fantatrareo. 23Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin'ny fikasan'Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana tamin'ny alalan'ny ratsy fanahy; 24nefa natsangan'Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana! 25Hoy manko i Davida ny aminy:
«Nahita ny Tompo mandrakariva teo anatrehako aho;
noho Izy eo ankavanako dia tsy hangozohozo aho.
26Izany no nahaheni-kafaliana ny foko
ary nahaheni-karavoana ny teniko.
Eny, na ity nofoko ity aza
dia hitoetra amim-panantenana,
27satria tsy hafoinao ho any amin'ny toeran'ny maty aho
ary tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.
28Natoronao ahy ny lalana mitondra any amin'ny fiainana,
hofenoinao hafaliana aho satria manatrika ahy Ianao.»
29Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin'i Davida razambentsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30Mpaminany izy ary nahalala fa Andriamanitra dia nianiana taminy nampanantena fa hisy anankiray amin'ny taranany hitsangana ho mpanjaka handimby azy. 31Efa tsinjon'i Davida mialoha izay hitranga ka ilay Mesia* hitsangana ho velona no voalazany amin'ny hoe:
«Tsy nafoy ho any amin'ny toeran'ny maty Izy
ary ny nofony tsy tratry ny fahalòvana!»