mercredi 15 avril 2015

Alarobia 15 Aprily 2015 - Eks 16 : 1 - 8

1Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin'ny taniefitra Sina, eo anelanelan'i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny volana faharoa, andro faha-15 taorian'ny nialany tany Ejipta. 2Nimonomonona tamin'i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo, 3ka nanao taminy hoe:
–Inay anie izahay mba novonoin'ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!

4Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan'andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia. 5Fa amin'ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan'andro.

6-8Ary i Mosesy sy i Aharôna dia niteny tamin'ny Israelita hoe:
–Anio hariva ny TOMPO dia hanome hena hohaninareo, satria henony tokoa ny fimonomononanareo taminy; izany no hahafantaranareo fa Izy TOMPO no namoaka anareo tany Ejipta. Ary rahampitso maraina dia hanome mofo hahavoky anareo Izy, ka izany no hahitanareo ny voninahiny*. Ny aminay kosa, inona moa izahay no imonomononanareo? Raha manao izany manko ianareo, dia tsy izahay no imonomononanareo fa ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12