jeudi 30 avril 2015

Alakamisy 30 Aprily 2015 - Jao 6 : 47 - 59

47Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay. 48Izaho no mofo manome ny aina. 49Ireo razanareo nihinana ny mana tany an-taniefitra, nefa maty ihany; 50ity kosa ny mofo midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. 51Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an'izao tontolo izao!

52Tamin'izay ny Jiosy dia nifanditra hoe:
–Hataon'ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina?

53Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan'ny Zanak'olona* sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 55Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin'ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin'ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

59Izany teny izany no nataon'i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin'ny sinagôga tany Kafarnahòma.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12