dimanche 7 juin 2015

Alahady 07 Jona 2015 - I Mpa 3 : 16 - 28

16Indray andro dia nisy vehivavy mpivaro-tena roa tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka. 17Dia hoy ilay vehivavy voalohany:
–Miray trano izaho sy ity vehivavy ity, ry andriamanjaka, ary teraka tao an-trano aho tamin'ny fotoana nahatao azy koa. 18Fa telo andro taorian'ny fiterahako, dia mba teraka ny zanany koa io vehivavy io. Izahay roa vavy ihany no tao an-trano fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay. 19Tamin'io alina io anefa, dia maty ny zanak'ity vehivavy ity fa voatsindriny. 20Koa tamin'ny misasakalina dia niarina izy naka ny zanako teo anilako raha ilay mbola natory iny aho, ka nampandriany teo anilany; fa ny azy maty kosa no nataony teo anilako. 21Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho anikeheo maraina, dia indro fa maty izy. Kanjo rehefa nofantariko nony nazava ny andro, dia hitako fa hay tsy ny zanako naterako akory io.

22Tamin'izay, dia hoy kosa ilay vehivavy faharoa:
–Tsia! Ny velona no zanako, fa ny maty no anao!

Dia hoy ilay voalohany:
–Tsia! Ny maty no zanakao, fa ny velona no ahy!

Nifanditra toy izany teo anatrehan'ny mpanjaka izy roa.

23Fa hoy kosa ny mpanjaka:
–Ny iray manao hoe: «Ny velona no zanako fa ny maty no anao!» Dia mamaly ny iray hoe: «Tsia! Ny maty no zanakao fa ny velona no ahy!»

24Ka hoy aho hoe: «Itondray sabatra aho».

Rehefa tonga ny sabatra,

 25dia hoy indray ny mpanjaka:
–Zarao roa ny zaza velona, ka samy omeo ny antsasany avy ireo vehivavy ireo!

26Fa onena mafy an-janany kosa ilay vehivavy renin'ny zaza velona, ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe:
–Ry andriamanjaka ô, aoka re homena azy ihany ny zaza velona, fa aza dia vonoina ho faty!

Fa hoy kosa ny iray:
–Zarao roa mihitsy ny zaza, fa amin'izay dia samy tsy manana.

27Dia namaly ny mpanjaka, ka nanao hoe:
–Aza vonoina ho faty ny zaza, fa omeo ilay vehivavy voalohany; izy mihitsy no reniny.

28Ren'ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren'Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12