vendredi 26 juin 2015

Zoma 26 Jona 2015 - I Sam 25 : 14 - 22

14Fa ny iray tamin'ny mpanompon'i Nabala nampandre an'i Abigaîla vadiny hoe:
–Indro nandefa iraka avy any an-taniefitra i Davida mba hiarahaba ny tompontsika, kanjo dia levilevy no nandraisany azy ireo. 15Ireo olona ireo anefa dia tena tsara tokoa taminay. tsy nisy ratsy nataony taminay ary tsy very na inona na inona izahay nandritra ny fifaneraseranay taminy, fony mbola tany an-tsaha izahay. 16Izy ireo no toy ny manda fiarovana ho anay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra niandrasanay ondry teo aminy. 17Koa diniho sy eritrereto tsara izay tokony hataonao, fa hianjera amin'ny tompontsika sy ny fianakaviany ny loza. Fa ratsy fanahy tokoa i Nabala iny ka tsy azo ifampiresahana akory.

18Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra*, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin'aviavy roanjato.

Nakariny teo an-damosin'ireo borikiny izany, 19ka hoy izy tamin'ny mpanompony:
–Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin'i Nabala vadiny anefa i Abigaîla. 20Raha nitaingina ny borikiny nidina ny toerana takon'ny havoana izy, dia indro nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanehatra taminy.

21Fa i Davida efa niteny anakampo hoe: «Tsy misy vokany ny niarovako ny fananan'ilehiny tany an-taniefitra mba tsy hisy ho very, fa dia novaliany ratsy ny soa nataoko taminy. 22Hosazîn'Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin'ny fianakavian'i Nabala, hatramin'ny rahampitso maraina!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12