mercredi 17 juin 2015

Alarobia 17 Jona 2015 - Job 28 : 12 - 28

12Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
13Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny,
satria tsy hita ao amin'ny tanin'ny velona izy.
14Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.»
ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»
15Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio
ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.
16Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira
na ny berila sarobidy mbamin'ny safira aza.
17Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra.
Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.
18Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly,
fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.
19Tsy azo ampitahaina akory
ny tôpaza avy any Etiopia;
ary tsy mifandanja aminy
na dia ny volamena madio aza.

20Fa avy aiza àry ny fahendrena?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
21Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany,
ary takona amin'ny vorona eny an-danitra koa aza.
22Hoy Rafahafatesana sy Rafandravana hoe:
«Eny, renay siosio fotsiny ny aminy.»
23Fa Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany,
ary Izy ihany no mahafantatra ny misy azy.
24Fa mahatsinjo hatrany am-paran'ny tany Izy
ary mahita izao rehetra ambanin'ny lanitra izao.
25Rehefa nametra ny lanjan'ny rivotra
sy nandraikitra ny fatran'ny rano Izy
26ary nandrindra lalàna ho an'ny orana
sy nanori-dalana ho an'ny kotroka,
27dia nahita ny Fahendrena
ka nanambara ny hatsarany
nony avy nandinidinika azy
ary koa namotopototra ny aminy.
28Dia hoy Andriamanitra tamin'ny olona:
«Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena;
ary ny fialana amin'ny ratsy no fahalalana.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12