lundi 15 juin 2015

Alatsinainy 16 Jona 2015 - Lio 2 : 39 - 52

39Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalànan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tanànany. 40Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.

41Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska*. 42Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany. 43Nody i Maria sy i Jôsefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany. 44Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra, 45nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilàlana izy roa nitady Azy tany Jerosalema. 46Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly* i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo. 47Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy.

48Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy:
–Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!

49Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady:
–Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho?

50Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy.
51Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony. 52Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12