mercredi 7 octobre 2015

Alarobia 07 Oktobra 2015 - Jos 10 : 12 - 21

12Tamin'ny andro nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'ny Israelita teo anoloan'ny Amôrita, dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason'ny Israelita hoe:
–Ry masoandro, mijanona eo ambonin'ny lohasahan'i Aialôna!

13Dia nijanona ny masoandro ary niato ny volana ambara-pandresin'ny firenena israelita ny fahavalony. Araka izay efa voasoratra tao amin'ny bokin'i Ilemahitsy, dia nijanona teo afovoan'ny lanitra tokoa ny masoandro, ka tsy nety hilentika indray andro manontolo. 14Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan'ny TOMPO hatak'olona; fa niady ho an'i Israely ny TOMPO.

15Avy eo dia niverina ho any an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra tafaraka taminy.

16Kanjo nandositra ireo mpanjaka amôrita* dimy ka niafina tao amin'ny zohy tao Makedà. 17Hita fa niafina tao ireo ka nambara tamin'i Josoa izany. 18Dia nanome baiko i Josoa hoe:
–Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy. 19Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.

20Rehefa nasian'i Josoa sy ny Israelita ireo Amôrita, dia voan'ny faharesena lehibe tokoa tamin'ny farany, ary faharesena tanteraka; saingy nisy ihany afa-nandositra ka nitsofoka tao amin'ny tanànany mimanda. 21Avy teo dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa tao an-toby tany Makedà ny tafiny manontolo. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava ratsy tamin'ny Israelita intsony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12