2Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko;
ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.
3Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,
fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.
4TOMPO ô, vory vahoaka no hiderako Anao;
ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,
5satria lehibe mihoatra noho ny lanitra ny fitiavanao
ary avo tafapaka amin'ny rahona ny toetranao mahatoky.
6Andriamanitra ô, misandrata Ianao
ho any an-tampon'ny lanitra;
aoka anie ny voninahitrao*
hamiratra amin'ny tany tontolo!
7Vonjeo amin'ny herinao aho ary valio vavaka,
dia ho afaka ilay vahoaka malalanao.
8Tao an-Toeramasiny* no niteny Andriamanitra hoe:
«Faly tokoa Aho fa hizara an'i Sekema
sy ny lohasahan'i Sokôta ho an'ny vahoakako;
9Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase;
i Efraîma no toy ny satro-by fiarolohako;
i Joda no toy ny tehim-piandrianako.
10I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko;
i Edôma hanipazako kapa ho fananako;
i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»