mardi 27 octobre 2015

Talata 27 Oktobra 2015 - Jos 11 : 1 - 11

1Nony ren'i Jabîna mpanjakan'i Hatsôra ny fandresen'i Josoa, dia nandefasany iraka i Jôbaba mpanjakan'i Madôna sy ny mpanjakan'i Simrôna ary ny mpanjakan'i Aksafa. 2Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin'ny lohasahan'i Jôrdàna eo atsimon'ny farihin'i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin'ny lemak'i Sefelà* sy teny amoron-tsiraka akaikin'i Dôra ao andrefana. 3Nandefasan'i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan'i Jôrdàna, ny Amôrita* sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr'i Hermôna, tany amin'ny faritanin'i Mitsepà. 4Dia niainga ireo mpanjaka rehetra ireo, niaraka tamina miaramila tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ary soavaly sy kalesy maro dia maro. 5Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin'ny loharanon'i Merôma mba hiady amin'ny Israelita.

6Fa hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Aza matahotra an'ireo ianao; fa rahampitso amin'ny ora toy izao, dia hatolotro ho fatin-dratra eo anatrehan'ny Israelita izy rehetra ireo. Koa traingoy ny soavaliny ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7Dia lasa i Josoa sy ny tafiny manontolo hamely tampoka ny fahavalo tao akaikin'ny loharanon'i Merôma, ka niantoraka taminy. 8Natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin'ny lohasahan'i Mitsepà any atsinanana. Nasian'ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana. 9Araka izay nolazain'ny TOMPO no nataon'i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin'ireo ary nodorany tamin'ny afo ny kalesiny.

10Rehefa niverina i Josoa, dia naka an'i Hatsôra satria i Hatsôra no renivohitr'ireo fanjakana tany avaratra. Novonoiny tamin'ny sabatra ny mpanjakany 11ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangàna mihitsy, sady nodorana ny tanàna.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12