2Iantrao aho, Andriamanitra ô, iantrao
satria Ianao no fialofako;
eo ambany elatrao tokoa no ialofako
mandra-pidifin'ny loza.
3Ilay Andriamanitra Avo Indrindra no antsoiko,
dia ilay Andriamanitra manao izay mahasoa ahy.
4Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy,
hataony ho afa-baràka anie ireo mpanenjika ahy!
Fiatoana*
Eny, hirahin'Andriamanitra ho amiko anieny fitiavana amam-pahamarinany!
5Izaho monina afovoan'ny fahavalo masiaka
izay tahaka ny liona mandripaka olona:
toy ny lefona na zana-tsipîka ny nifiny,
toy ny sabatra maranitra ny lelany.
6Andriamanitra ô, misandrata Ianao
hanerinerina any an-tampon'ny lanitra.
Aoka anie ny voninahitrao
hamiratra amin'ny tany tontolo!