lundi 9 novembre 2015
Alatsinainy 09 Novambra 2015 - 2 Tim 1 : 11 - 14
11Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apôstôly* sy ho mpampianatra; 12ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin'ny andro fitsarana. 13Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 14Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...