samedi 28 novembre 2015

Sabotsy 28 Novambra 2015 - I Sam 24 : 10 - 23

Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida. 10Ary hoy i Davida tamin'i Saoly:
–Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia mihaino izay vavan'olona milaza fa mitady hanisy ratsy anao aho? 11Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain'ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin'ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka. 12Jereo koa, ry mpanjakako ô! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr'akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko. 13Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao. 14Araka ny lazain'ny ohabolan'ntaolo, dia «ny olon-dratsy no ipoiran'ny faharatsiam-panahy», fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao. 15Amin'iza moa no iadianao, ry mpanjakan'i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao? 16Aoka ny TOMPO no ho mpitsara ka dia hitsara ahy sy ianao! Aoka handinika ny amiko Izy ka hiaro ahy ary hanafaka ahy amin'ny fanenjehanao!

17Rehefa vita izany tenin'i Davida tamin'i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe:
–Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako ô!

Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly. 18Dia hoy indray izy tamin'i Davida:
–Marina ny anao, anaka, fa izaho no tena diso, satria ianao nanao soa tamiko fa izaho kosa nanao izay ratsy taminao. 19Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho. 20Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany. 21Ankehitriny, fantatro fa ianao no ho mpanjaka ary hitoetra eo an-tananao ny fanjakan'i Israely. 22Koa mianiàna amiko amin'ny TOMPO ianao ankehitriny, fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao ary tsy hamono ny anarako tsy ho isan'ny taranaky ny raiko. 23Dia nianiana izany tamin'i Saoly i Davida. Ary i Saoly nody tany aminy, fa i Davida sy ny olony kosa niverina niakatra tany amin'ny fiereny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12