lundi 30 novembre 2015

Alatsonainy 30 Novambra 2015 - I Kor 1 : 1 - 9

1-2Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.

Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra atỳ Kôrinto aho, ary mamangy anareo koa i Sôstena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany* ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa. 3Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

4Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany*, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12