vendredi 20 novembre 2015

Zoma 20 Novambra 2015 - Jao 14 : 1 - 14

1Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany*:
–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4Ary fantatrareo ny lalana ho any amin'izay alehako.

5Dia hoy i Tômà taminy:
–Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?

6Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako. 7Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:
–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny. 12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12