dimanche 15 novembre 2015

Alahady 15 Novambra 2015 - Gen 39 : 1 - 10

1Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan'ny Farao* sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita. 2Ary ny TOMPO nomba an'i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy; 3ary hitan'ity tompony fa nombàn'ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony. 4Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra. 5Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Jôsefa, dia notahîn'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna. 6Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany.

Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa. 7Taorian'ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin'i Jôsefa ny vadin'ny tompony, ka nanao taminy hoe:
–Avia handry amiko!

8Fa hoy ny navalin'i Jôsefa azy:
–Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano. 9Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin'Andriamanitra?

10Isan'andro isan'andro dia mbola nanangoly an'i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12