jeudi 10 décembre 2015

Alakamisy 10 Desambra 2015 - Roma 15 : 5 - 12

5Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy* anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra.

9Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena* manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena
sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»

10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:
«Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo,
ry hafa firenena!»

11Ary koa hoe: «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;
ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»

12Ary hoy indray i Isaià hoe:
«Ho avy ilay solofon'i Jisay,
dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:
Izy no hitokian'ireo firenena!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12