mardi 1 décembre 2015

Talata 01 Desambra 2015 - II Tan 20 : 20 - 30

20Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin'i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin'ny taniefitr'i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe:
–Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin'i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny*, dia handresy ianareo!

21Rehefa niara-nidinika tamin'ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

22Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon'ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin'ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo. 23Nitsangana ny Hamônita sy Môabita hamely ny Edômita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan'izy roa tonta ny Edômita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana. 24Rehefa tonga teo amin'ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin'ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra. 25Dia nandeha nandroba azy i Jôsafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.

26Tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny Lohasaha Berakà izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Berakà mandraka androany. 27Ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan'i Jôsafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin'ny fahavalony. 28Dia tonga tany Jerosalema izy nombàn'ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon'ny TOMPO*.

29Ary azon'ny tahotra an'Andriamanitra ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin'ny fahavalon'i Israely. 30Dia nandry feizay ny fanjakàn'i Jôsafata, satria nomen'Andriamanitra fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12