dimanche 20 décembre 2015
Alahady 20 Desambra 2015 - Fil 1 : 9 - 11
9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn'ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an'Andriamanitra.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...