samedi 19 décembre 2015

Sabotsy 19 Desambra 2015 - Eks 29 : 38 - 46

38«Zanakondry iray taona roa isan'andro no hatolotra tsy tapaka eo ambony alitara*. 39Ny iray hatolotra ny maraina, ary ny iray hatolotra ny hariva. 40-41Miaraka amin'ny zanakondry amin'ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin'ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona* atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy. 42Amin'ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana*, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.

43«Eo amin'io toerana io no hihaonako amin'ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany. 44Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an'i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy. 45Hitoetra eo anivon'ny Israelita Aho sady ho Andriamaniny. 46Ka amin'izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy.
«Izaho no TOMPO Andriamaniny.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12