6Indray sabata* hafa koa, dia niditra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa ka nampianatra. Nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao; 7ary nizaha taratra an'i Jesoa ireo mpahay lalàna* sy Farisianina* raha hanasitrana amin'ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.
8Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreriny, ka hoy Izy tamin-dralehilahy maty tanana:
–Mitsangàna ka ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.
Dia nitsangana ilay marary ka nijoro. 9Ary niteny tamin'ny mpahay lalàna sy ny Farisianina i Jesoa hoe:
–Manontany anareo Aho: inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny manala ain'olona?
10Dia nanopy maso manodidina nijery azy rehetra i Jesoa ka niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Atsory ny tananao.
Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana. 11Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.