20Tao rahateo koa ilay fianianana nataon'Andriamanitra. Ireo mpisorona hafa dia tsy nombàm-pianianana no tonga mpisorona. 21Fa i Jesoa nombàm-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe:
«Efa nianiana ny Tompo
ka tsy hivadi-bolana:
‹Ianao no Mpisorona mandrakizay.› »
22Izany no mahatonga an'i Jesoa ho antoky ny Fanekempihavanana* tsara lavitra.
23Izao koa no fahasamihafana hita: marobe ireo mpisorona hafa, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra; 24fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany. 25Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin'Andriamanitra ho azy ireo. 26Eny, Mpisorombe* natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin'ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.