lundi 7 mars 2016
Alatsinainy 07 Martsa 2016 - Rom 10 : 1 - 4
1Ry havana, ny irîn'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena. 2Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an'Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombàm-pahalalana. 3Tsy nahalala ny fahamarinana omen'Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin'ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen'Andriamanitra. 4Eny, lany andro ny lalàna* nony tamy i Kristy* hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...